Psalms 95

Fiantsoana hivavaka amin’ Andriamanitra sy hankatò ny teniny

1Avia, aoka isika hihoby ho an’ i Jehovah; Aoka isika hanao feo fifaliana ho an’ ny Vatolampy famonjena antsika. 2Aoka hankeo anatrehany amin’ ny fiderana isika; Aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin’ ny fihirana isika. 3Fa Andriamanitra lehibe Jehovah, Ary Mpanjaka lehibe ambonin’ ny andriamanitra rehetra Izy. 4Eo an-tànany ny fitoerana lalina amin’ ny tany; Ary Azy ny tendrombohitra avo. 5Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy, Ary ny tany maina dia noforonin’ ny tànany. 6Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika; Aoka isika handohalika eo anatrehan’ i Jehovah, Mpanao antsika; 7Fa Izy no Andriamanitsika; Ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika. Enga anie ka hohenoinareo anio ny feony manao hoe: 8Aza
Na: Anio raha hihaino ny feony ianareo, dia aza.
manamafy ny fonareo tahaka ny tao Meriba, Sy tahaka ny tamin’ ny andro tao Masa fony tany an-efitra,
9Izay nakan’ ny razanareo fanahy Ahy, Sy nizahany toetra Ahy, na dia efa hitany aza ny asako. 10Efa-polo taona no nahamonamonaina Ahy tamin’ izany taranaka izany, Ka hoy Izaho: Olona maniasia amin’ ny fony izy Ka tsy mahalala ny lalako; 11Ka dia nianiana tamin’ ny fahatezerako Aho hoe: Tsy hiditra amin’ ny fitsaharako mihitsy izy.
Copyright information for Mg1865